28/07/2026
🇲🇬 Tsy izahay no milaza azy… fa ireo vahiny avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao.
Tsy isa tsotra fotsiny ireo.
Fa fijoroana vavolombelona avy amin’ireo vahiny tonga avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao, nizara ny zavatra niainany tao amin’ny The Anja Reserve Lodge :
🍽️ “Anisan’ny toerana tsara indrindra nisakafoanay teto Madagasikara.”
🏔️ “Mahatalanjona sy tsy manam-paharoa ny fahitana ny tendrombohitra.”
🛏️ “Ity no trano fandraisam-bahiny tsara indrindra nandritra ny dianay.”
🤝 “Tena tsara fanahy sy mandray vahiny ny mpiasa.”
🌿 “Harena miafina ao afovoan’i Madagasikara.”
Tena manohina anay ireo teny ireo, satria ao ambadik’izany rehetra izany dia misy Malagasy miasa amim-pitiavana sy amim-pireharehana isan’andro mba hanomezana traikefa miavaka ho an’ny mpitsidika. 🇲🇬
Eo akaikin’ny Réserve communautaire d’Anja, ny tanjonay dia ny hampiseho fa afaka manolotra fandraisana vahiny, sakafo ary fizahantany manara-penitra i Madagasikara — ary afaka mifaninana amin’ireo toerana malaza indrindra maneran-tany. 🌍
Ny teny fiderana rehetra azon’ny lodge dia teny fiderana ho an’i Madagasikara ihany koa: ho an’ny hatsaran’ny tanintsika, ny sakafontsika, ny kolontsaintsika ary ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny.
Misaotra ny ekipanay.
Misaotra ny vondrom-piarahamonina Anja.
Ary misaotra ireo mpitsidika rehetra izay lasa ambasadaoron’i Madagasikara rehefa mody any amin’ny fireneny. 🙏
🇲🇬 Quand les voyageurs du monde entier tombent amoureux d’un lodge malagasy… voici ce qu’ils racontent. ❤️
Ce ne sont pas seulement des notes.
Ce sont des voyageurs venus du monde entier qui racontent leur expérience au The Anja Reserve Lodge :
🍽️ « L’une des meilleures adresses où manger à Madagascar. »
🏔️ « Une vue unique sur les montagnes. »
🛏️ « Le meilleur hébergement de notre voyage. »
🤝 « Un personnel incroyablement accueillant. »
🌿 « Un joyau caché au cœur de Madagascar. »
Ces témoignages nous touchent profondément, car derrière chaque avis se trouvent des femmes et des hommes malagasy qui travaillent chaque jour avec passion pour offrir une expérience exceptionnelle. 🇲🇬
À quelques pas de la Réserve communautaire d’Anja, nous voulons montrer qu’à Madagascar, nous pouvons proposer une hospitalité, une cuisine et une expérience touristique capables de rivaliser avec les meilleures destinations du monde. 🌍
Chaque compliment adressé à notre lodge est aussi un compliment adressé à Madagascar, à son accueil, à sa cuisine, à ses paysages et à son savoir-faire.
Merci à nos équipes.
Merci à la communauté d’Anja.
Et merci à tous nos visiteurs qui deviennent, après leur séjour, des ambassadeurs de notre île. 🙏
# Ragon