07/02/2026
🌾 RESAKA VIDIM-BARY : OLANA SY VAHAOLANA 🌾
Mitaraina ireo mpisehatra ara-bary aty Antsihanaka, satria ambany lavitra noho ny mahazatra amin’ny vanimpotoanam-pahavaratra isan-taona ny vidim-bary.
👉 750 Ariary ny kapoaka amin’izao fotoana izao an-tanàna
Any Andrenivohitra anefa, mitaraina ny mpanjifa satria lafo loatra ny vary, fa 950 Ariary ny kapoaka ny varin’Antsihanaka.
🔎 Midika izany fa ireo mpanelanelana no mahazo tombony betsaka be :
💰 200 Ariary isaky ny kapoaka
💰 550 Ariary isaky ny kilao (rehefa esorina ny frais sy ristourne izay 200 Ariary )
💰 550 000 Ariary ny tombony amin’ny varifotsy iray taonina 👉 Volabe tokoa izany !
✅ VAHAOLANA VOALOHANY (haingana sy mahomby)
Ny Entrepreneuriat Social et Solidaire no iray amin’ireo vahaolana tena ilaina.
🔹 Ireo vondrona mpisehatra ara-bary ao anatin’ny Commune iray dia :
Mamantatra mazava ny habetsahan’ny stock misy aminjareo
Mitady fiarahamiasa mivantana amin’ny Fokontany iray aty Andrenivohitra ka Mivarotra mivantana ny varifotsy amin’ny mpanjinjara madinika ( Épicerie ) mba tsy mandalo mpanelanelana maro intsony.
✅ VAHAOLANA FAHAROA (maharitra sy stratejika)
Ny Chambre de Commerce et de l’Industrie (CCI) Alaotra Mangoro dia afaka :
Mangataka fiarahamiasa amin’ny CCI Analamanga na CCI Antsinanana mba hamory maika ireo mpandraharaha ara-bary sy ireo maniry hisehatra amin’ny vary
Mampahafantatra fa mitobaka ny vary any Antsihanaka izao
📈 Rehefa mihazakazaka manangona any ireo mpandraharaha avy Andrenivohitra, dia :
Mitombo ny isan’ny mpividy
Misy fifaninanana ara-barotra
Miakatra ho azy ny vidim-bary, ka mahasoa ny mpamokatra
✊ 📢 Zarao ity raha mankasitraka vahaolana fa tsy fitarainana fotsiny !