15/08/2026
DIOVY NY MANODIDINA ANAO.
Manasa lamba ianao rehefa maloto.
Manadio vatanao ianao rehefa mila fahadiovana.
Manadio ny tranonao ianao mba hahazo aina.
Fa mba efa nodinihinao ve ny fahadiovan’ny olona manodidina anao?
Satria misy olona tsy mandoto ny akanjonao…
fa mandoto ny sainao.
Misy olona tsy manimba ny tranonao…
fa manimba tsikelikely ny fahatokisanao tena.
Misy olona tsy mangalatra ny volanao…
fa mandany ny herinao, ny fotoananao ary ny fahitanao ny hoavinao.
Noho izany, indraindray dia mila jerena ihany koa ny entourage.
Anontanio ny tenanao:
✓ Rehefa avy miresaka aminy aho, mahazo hery sa very hery?
✓Manampy ahy hino ny tenako ve izy, sa mampisalasala ahy?
✓Rehefa mizara ny nofiko aho, manohana sa manakivy?
Tsy midika izany hoe ratsy daholo ny olona sasany.
Fa mila fantatrao fotsiny hoe:
Iza no tokony hiarahana matetika,
ary Iza no tokony halavirina.
Satria rehefa te hanova ny fiainanao ianao, dia tsy ny fahazaranao ihany no mila jerena…
fa ny tontolo iainanao koa.
Indraindray, ny dingana voalohany handrosoana dia tsy ny mitady zavatra vaovao.
Fa ny fanesorana izay manakana anao.
Aza matahotra manadio ny fiainanao.
Ny toerana malalaka no ahafahan’ny zavatra tsara miditra.
📝 V. Millionnaire