HOTEL Mangazaca Morondava

HOTEL Mangazaca Morondava La Mangazaca est votre refuge idéal 🏨

06/01/2026

Narary ilay Ramatoa dia lasa namonjy mpitsabo 😀
Notsaboiny ianao, volosany tanteraka aloha
Rehefa hitany fa hitady ho sitrana dia hakiviany tampoka indray : «Madama ! Tena lany haiky aho. Hainao vé fa araka ny fitiliana vaovao sy ny sisa rehetra natao anao farany dia mbola atahorana ny ainao ? Tena efa nataoko izay azo nataoko, niala nenina aho saingy indrisy fa mody nihatsara ny fahasalamanao hay miha-ratsy hatrany. Eny e ! Tsy misy mahakivy izany fa atoroko Fiangonana iray izay ianao dia manontania an'ny Pasitera xox, tena olon' Andriamanitra izy io ary efa maro ny olona narary mafy teto amiko nanao vavolombelona taty amiko, no nandalo tany koa sitrana. Toro-hevitra ihany ny ahy hoe Maninona moa raha makany ianao sao dia mba izay ihany koa no ahasitrana ? Fa na izany ary, TOHIZO FOANA NY FIHINANA FANAFODY SY FITSABOANA nefa ! Mañana finoana e !» 😁
Kivy sy ketraka ilay Ramatoa sy ny fianakaviana koa lasa tokoa nanantona ity fiangonana sy Pasitera xox niala nenina 😀
Nambaran'ny Pasitera fa mila mañana finoana aloha izy fa manasitrana n'y Tompo ary misy tokoa ny fahagagana 😁
Ametrahany tanana ilay marary, omeny rano sy menaka avy any Israely (vidiana vola) 😀
Rehefa izay dia asainy manao fanatitra sy ampahafolon-karena, hino azy sy izay lazainy raha mila famonjena marina 😁
Izy mantsy irak' Andriamanitra, mpaminan'ny Jéhovah sns ..
Afaka andro vitsivitsy aty aoriana Ilay olona dia mahatsapa tena fa mihatsara tokoa ny toe-pahasalamany... Sitrana izy ny farany 😁
Manomboka eo dia lasa mivavaka ao ilay olona sy ny fianakaviany. Lasa mpandoha fanatitra sy ampahafolon-karena mafatrapo ary hitarika ireo mpiara-belona aminy ho any satria nahazo fahasoavana tao hono 😅
Ity Dokotera kay mpiara-miasa amin'ilay fiangonana hany koa na aretina tsy misy dikany ary no mahazo ny mandalo ao aminy dia hakiviany ilay marary, lazainy fa ho faty ary reseny lahatra ankolaka hanantona ny Pasitera rehefa mitady ho sitrana iny 🙈
Dia izay ny tantara kelin'ireny olona milaza fa mahay manasitrana ireny matetika 🤣
Isaky ny mahita Dokotera ianao mampirisika anao hanantona fiangonana raha te ho sitrana marina dia tsarovy aho sy ity tantara ity 😉

Address

Morondava
Morondava
619

Telephone

+261341119332

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HOTEL Mangazaca Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category