Digital Hôtel

  • Home
  • Digital Hôtel
Directions

Digital Hôtel Digital Hôtel: ses chambres aux lignes pures et raffinées, décorées avec beaucoup de goût. Équ

MANINONA ATY AMITSIKA, REHEFA MATAVY IANAO DIA MIHEVITRA NY OLONA FA MIHINANA TSARA IANAO?Raha vao miha boda dia mitehak...
17/12/2025

MANINONA ATY AMITSIKA, REHEFA MATAVY IANAO DIA MIHEVITRA NY OLONA FA MIHINANA TSARA IANAO?

Raha vao miha boda dia mitehaka ny rehetra hoe: "Mihinana matsiro izy, manam-bola, tafita!" Ary rehefa miha mahia ny fitsaran'ny olona eo no ho eo dia hoe: "Oh! marary izy, kikina, rodana, na voan'ny SIDA..." Mampihomehy🤣. Ny tena olana? Tsy ny anjaranao, tsy ny tsenan'asa, tsy ny fototarazonao. Fa izay nampidirinao ao amin'ny vatanao isan'andro.

Jereo ny manodidina anao. Ny maraina, dia ranom-boankazo vita amin'ny siramamy, m**o lafarina, dobera, sakafo feno akora simika;
Amin'ny mitataovovonana dia vary fotsy, paty, saosy indostrialy efa vita, menaka voahodina, hena amboarina feno hormonina;
Amin'ny tolakandro dia tsakotsako cookies, chips, soda ary ranom-boankazo voatahiry ela;
Ny hariva dia mialina sakafo saosy mavesatra, sakafo mangatsiaka averina afanaina...
Dia ianao indray no manontany tena hoe nahoana no mibontsina tahaka ny baolina ny kibonao ary nahoana ianao no tsy mahazo matory tsara.

Ny vatanao io, tsy misangy io. Ireo siramamy rehetra natelinao, ireo tavy nampidirinao ny vavanao, ireo akora simika nohaninao—tsy maintsy miatrika izany ny aty sy ny sarakaty. Amin'ny voalohany dia tsy mahatsapa na inona na inona ianao. Saingy tsikelikely dia miha tsentsina ny fonao, voasakana ny lalan-drà, miakatra ny tosidra, tsy voafehy intsony ny siramamy ao amin’ny rà. Reraka ny voa. Lasa matavy ny aty. Mihena ny fitadidianao. Mihena ny fihetseham-ponao. Ary mbola mino ianao fa ny sakafo voahodina = fiainana maoderina = fahombiazana.

Ary fantatrao ve? Tsy ny lanja ihany. Ny fahasalamanao no kilan'ny afo. Ara-dalàna ve ny mahatsiaro reraka mandritra ny andro? Tsia. Ny siramamy sy ny tavy ary jabora no mandany ny herinao. Manao toy izany koa ny zanakao: biscuit, coca, bombon… ary mitaraina ianao fa miha bado ny zanakao, ka tsy mandray sy mihaino izy any am-pianarana. Hitanao ve ny fifandraisana?

Manafika ny rehetra ny vokany. diabeta. Tosidrà. Aretim-po. Fahazazana matavy loatra. Aretin'aty. Fahamombana. Na ny homamiadana mifandray amin'ny sakafo aza. Ary tsy rahampitso izany aretim-be izany fa ankehitriny, io iainatsika izao io.

Fahiny, ny raibe sy renibetsika dia niaina ela tamin'ny sakafo madio sy tsotra toy ny ampemby, hanin-kotrana, mangahazo, anana, legioma, trondro ary voankazo teto an-toerana.
Amin'izao fotoana izao dia manolo izany rehetra izany amin'ny vokatra avy any ivelany, voahodina, feno sira, siramamy, menaka indostrialy, ary fitahirizana simika.
Ary avy eo mitaraina isika fa tsy manana hery ny tanorantsika, tsy maharitra ela amin'ny firaisana ara-nofo, mitambotsitra ny fo amin'ny faha-50 taonany, lasa namantsika akaiky ny dokotera.

Inona àry no azontsika atao? Andao hiverina amin'ny fototra:

Mihinana tena sakafo natoraly ara-pahasalamana: anana, voankazo, trondro, hena mahia. Ahena ny siramamy, ny zava-pisotro voahodina, ary ny sakafo navaingana.

Manaova fanatanjahan-tena: mandeha, mihazakazaka, mandihiza, mampihetsika vatana. 30 minitra isan'andro dia tsara kokoa noho ny tsy misy.

Henoy ny vatanao: pataloha miha tery, sempotra, havizanana foana = famantarana fampitandremana.

Atsaharo ny miafina ao ambadiky ny hoe "Mihinana toy ny olon-drehetra aho" na "manara-damaody." Tsy kitapo ny vatanao; andry ny fiainanao izany. Raha omenao zavatra simika foana izy dia hovidianao lafo izany: aretina, fidorohana fanafody, tsy fahafahana miasa, adin-tsaina tsy tapaka.

Rehefa mahita olona be kibo sy jus eny an-tanany ianao amin'ny manaraka, dia aza miteny hoe: "Tafita izy." Lazao aminy hoe: Jereo ny fonao, jereo ny hoavinao. Manaova hetsika dieny mbola tsy tara. Ary raha ianao no mihinana sakafo simika isan'andro dia manaova hetsika dieny izao. Tsy rahampitso. Fa izao dia izao.

Izaho no MPAMPIHATRA 🔥 🔥 💣
Ny fahasalamana no hany harena mamela anao ho lava andro iainana hahitana ny zanakao sy ny zafikelinao mihalehibe.

Ny rano mafana no maha ela velona noho ny rano mangatsiaka. ⛔Ny rano mangatsiaka indrindra ny eau glacée dia mampihena n...
05/12/2025

Ny rano mafana no maha ela velona noho ny rano mangatsiaka.

⛔Ny rano mangatsiaka indrindra ny eau glacée dia mampihena ny taona iainana; raha toa misotro ranom-boankazo mangatsiaka na glacée ianao dia:

✔️- Manakatona tampoka ireo veines efatra ao amin'ny fo ary miteraka crise cardiaque. Ny zavapisotro mangatsiaka no mitana ny laharana voalohany amin'io aretina fietsehin'ny fo tampoka io.

✔️- Miteraka olana eo amin'ny aty (foie) koa izy, mampiraikitra ny menaka ary ny akamaroan'ny olona natao transplantation ana aty dia vokatry fisotroana rano mangatsiaka avokoa.

✔️-Ny rano mangatsiaka dia mamely ny parois interne an'ny vavony ny tsinay kely ary ny tsinay be. Miteraka homamiadana rehefa ela ny ela.

👍Ny rano mafana sy ny fomba fisotroana azy:

- Na mahamay tahaky ny inona aza ny andro ka mangetaheta ianao dia rano manodidina ny 45°C eo no tokony sotroina.

- Mifohaza maraina dia misotroa efatra vera misy rano mafana na matimaty, mbola foana mantsy ny vavony amin'io fotoana io. Mety tsy ho vitanao ny hisotro indray mandeha izany efatra vera izany nefa kosa mandeha amin'ny fahazarana tsikelikely.

- Fanamarihana: tsy mihinana ninoninona mandritry ny 45 minitra taorian'ny nisotroanao ilay rano mafana.

Maro ny tombotsoa azo avy amin'ny rano mafana raha mahavatra misotro isa-maraina dia hilamina ireto areti-mandoza ireto ary ho sitrana tanteraka:
- Diabète 30 andro
- Aretim-bavony 10 andro
- Karazana cancer rehetra
- Tsy mazoto homana 10 andro
- Tranon-jaza sy ny mifanakaiky aminy 10 andro
- Olana ara menstruation eo amin'ny vehivavy 15 andro
- Aretin'ny fo 30 andro
- Aretin'andoha, aretin'atoka 3 andro
- Cholestérol, Asthme

Rehefa novakianao, dia aoka ho tsara fanahy mba hilaza kely hoe “misaotra” ary mba Zarao ity hafatra tsara mahasoa ity!

Aza tazomina ho an'ny tenanao irery izay zava-mahasoa hahavonjy aina.

Address


101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Digital Hôtel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your hotel to be the top-listed hotel?

Share